Actualités

Fitrandrahana vy ao Soalala Mety ho fampandriana adrisa fotsiny indray ilay volabe


  • Alatsinainy 21 Jona 2010

Dia sanatria ve fampandriana adrisa tahaka ny nahazatra tato anatin’ny 15 volana indray ny tetikasa goavana fitrandrahana vy ao Soalala ?

Io no fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro, indrindra fa ireo eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika, taorian’ny nahalalana tamin’ny vaovao navoakan’ny Chine Nouvelle, ny faran’ny herinandro teo fa tsy manaiky ny handoa ilay vola 100 tapitrisa dolara amin’ny fanjakana Malagasy ilay banky HBSC ao Hong Kong. Araka ny tsiliantsofina re sy ny vaovao manomboka miparitaka amin’ity resaka ity dia tsy maintsy hanao fanadihadiana lalina aloha ity banky ity izay vao mety hanaiky handoa io vola be io. Marihana tsara fa misy ampahany an’ny orinasa Wisco ny vola tokony harotsany eto amintsika, ary misy ampahany nindramina amin’ny banky. Fehiny, manjavozavo ity fitrandrahana vy any Soalala ity, sy ireo fampanantenana amin’ny hahazoantsika volabe nataon’ireo mpitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Raha ny fahafantarana sy fifampitondrana eo amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena, dia an-kavitsiana, mba tsy hitenenana hoe tsy misy ny orinasa goavana sahy mifampiraharaha ary tonga dia mandrotsaka vola be amin’ny fanjakana tsy ara-dalàna sy tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena izany, indrindra fa mbola voasazy ny mpitondra ao aminy. Azo antoka fa izay no mahatonga ity banky HBSC ity tsy mety handoa ny vola. Manahirana ihany mantsy ny hanara-maso ny fandehan’io volabe io rehefa avy eo, satria firenena ao anatin’ny krizy no nomena azy, ary mpitondra voasazy noho ny fanonganam-panjakana nataony koa no hifampiraharahana. Efa nisy ny tranga mitovitovy amin’ity raharaha ity, nandritra ny nahatongavan’ilay mpanefoefo saodianina teto amintsika tamin’ny volana jolay 2009, ny printsy Al Walleed, izay olona fahadimy manankarena indrindra maneran-tany, araka ny filazan’ny gazety boky Forbes azy. Voalaza tamin’izany fotoana fa hanome vola iray tapitrisa dolara hanamboarana hopitaly manara-penitra hitsaboana ny aretina homamiadana ity Printsy ity. Tsy nisy na dia 1 dolara aza anefa azon’ny fanjakana tetezamita tany aminy, fa ny Karana akama teto an-toerana no notambatambazana hanome vola hanorenana ilay hopitaly.

Nambara ihany koa fa mety hanampy antsika amin’ny fitantanana ilay hotely goavana kintana 5 eny Ivato ity Mpanefoefo saodianina ity, izay tompona hotely goavana ao Paris, saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao. Ny antony dia satria tsy mifampiraharaha amin’ny mpanongam-panjakana ny mpandraharaha manana ny maha izy azy tahaka ireny. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe rahoviana vao hifarana ity fampandriana adrisa lava ny Malagasy ity ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT