Mihazakazaka mitety faritra i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny tetezamita (FAT), ary mampanantena asa fanorenana fotodrafitrasa goavana samihafa any amin’izay tany alehany, mba hanakontakonana ireo zavatra tsy mazava amin’ny fitantanana ity firenena ity.
Raharaha iray mbola mahabe resaka ny amin’ny nihazakazahan’ity fitondrana FAT ity “nifampiraharaha” tamin’ny orinasa sinoa Wisco amin’ny hitrandrahan’ity farany ny vy ao Soalala. Vola be zato tapitrisa dolara no takalo tao anatiny. Eo no manahirana satria na ireo manampahaizana malagasy momba ny fananantany, na ireo mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, na ireo ONG mpanara-maso ny tontolo iainana, indrindra fa ny teknisianina ambony mpikirakira ny volam-panjakana dia samy zendana eo anetrahan’ity raharaha ity. Hosokajina fa mazimazia, raharaham-pirenena izy ity, horaisina amin’ny maha “fifanarahana” azy indray, manalasala satria betsaka ny pitsopitson-draha tsy mazava.
Ny zavatra iray mba mahagaga, ohatra, izao dia tsy ahenoam-panazavana mikasika azy ity mihitsy ny BCMM (Bureau du Cadastre Minier de Madagascar), izay tokony ho lohalaharana handinika ny dosie mialoha ny hanomezana fahazoan-dalana hikitikitika any satria misy resaka tany ao. Tsy misy mangarahara ny amin’io. Vao mainka sarotra hazavaina manaraka izay ny amin’ilay volabe zato tapitrisa dolara. Andeha holazaina hoe “bonus de signature» izay antsoina mahazatra hoe “vodiondrim-barotra”. Na ny fomba amam-panao iraisam-pirenena aza dia any amin’ny sehatry ny solika ihany no misy an’izany fa tsy fanao izany any amin’ny fifanarahana mikasika ny harena ankibon’ny tany. Aleo indray hatao hoe tamberimbidy. Vao mainka loza, satria tsy misy resaka tamberimbidy azo lazaina eto raha tsy efa mitrandraka ary efa avy nivarotra vokatra ilay mpandraharaha. Mialoha izay dia efa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana ilay mpandraharaha ary nahazo ny fankatoavan’ny Parlemanta ny asa hataony.
Eto anefa sady tsy misy Parlemanta no raha ny re farany dia tsy mbola nisy fametrahana dosie hahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana. Ny fandre koa mantsy, mba misy ihany ireny tetikasa goavana fitrandrahana fasimainty any Tolagnaro ireny, fa ny fanjakana aza mbola mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiasam-bola ao anatiny, nefa amin’ity Soalala ity tonga dia vola miditra avy hatrany no resaka. Ka inona marina ary io vola zato tapitrisa dolara io ? Eo no mahatonga ny resaka mandeha ankehitriny fa betsaka ny resaka tsy mazava manodidina io resaka Soalala io. Fa ny loza koa dia tsy mahalala velively io resaka io ny vahoaka any am-potony. Ary ny tena mahazendana dia ny fahasahian’ny mpitondra FAT milaza fa volan’i Soalala no hanamboarana an’Antsonjombe, hanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 koa angamba, sns. Dia i Soalala amin’izany mba ahoana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.