Nandritra ny fivoriana izay natao tao amin’ny lapa maitson’Anosikely ny alakamisy 03 jona tokony tamin’ny 10 ora maraina no namelabelaran’ny Minisitra FAT isany Ratovomalala Mamy (harena ankibon’ny tany) sy Rajaonarimampianina Hery (fitantanam-bola) ny momba ny tetikasa fitrandrahana vy any Soalala sy ny hampiasana ny vola 100 tapitrisa dolara izay azo avy amin’ny mpandraharaha Sinoa izay hanao io fitrandrahana io
Teo ambany fitarihan’ny Filoha lefitry ny FAT, Rajaonson Bruno ny fivoriana izay notronin’ireo mpikambana maromaro namany. Voalaza tao fa i Soalala dia voalohany amin’ireo tetikasa ara harena ankibon’ny tany manerana izao tontolo izao ary mitentina 8 miiara dolara ny fampiasam-bola aminy.
Ny tetikasa moa amin’izao fotoana izao dia efa eo an-dalam-pandehanana na dia misy aza ireo olona tsy mahafantatra fa 100 tapitrisa dolara no ho azon’ny Fanjakana, ny antsasany dia efa azo fa ny sisa tsy ho ela.
Ny fanaovana fotodrafitrasa, ny fanorenana toby fitrandrahana herinaratra, famokaram-by no asa ho hita ao amin’io tobim-pitrandrahana io.
Ho an’ireo Mpikambana ao amin’ny FAT, ny tena zava-dehibe dia ny fanaovana fandalinana eo amin’ny voka-dratsy ateraky ny fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainan’ny mponina amin’ny faritra, ny fanaraha-maso sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny faritra ary ny mba hitomboan’ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana
Nandritra io fihaonana io dia voalaza tao fa tokony hanangana delegasiona eo anivon’ny governemanta sy ny mpikambana ao amin’ny FAT mba handeha any Chine ary hidina any an-toerana hijery izay tokony ho fiantraikan’ny fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainan’ny mponina amin’ny faritra. Hisy ihany koa ny fanofanana mpiasa malagasy miisa 1 000 ho any Chine momba ity fitrandrahana sy fanodinana vy ity.
Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.