Actualités

Fitrandrahana solitany: Handray mpiofana 20 ny orinasa Petromad


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra momba ny tontolon’ny fitsirihana sy fitrandrahana solitany sy etona natoraly tamin’ireo mpianatra teny amin’ny Cur Vontovorona ao amin’ny sampana jeolojia sy harena ankibon’ny tany ramatoa Rasolovoahangy Emma, tompon’andraikitra eo anivon’ ny orinasa Petromad.

Nahaliana ireo mpianatra tokoa izany satria maro izy ireo no niatrika ny fotoana. Sambany no nisy manampahaizana efa  za-draharaha amin’ity sehatra ity nizara ny traikefany teny an-toerana. Marihina fa manana ny master sy injeniera momba ny siansa simika, ny etona natoraly, ny fitrandrahana solika ary ny  tontolo iainana ramatoa  Rasolovoahangy. Orinasa goavana telo kosa no efa niasany mialoha ny tao amin’ny Petromad, dia ny tao amin’ny orinasa shell nandritra ny 7 taona, ny tao amin’ny Anadarko Petroleum ary ny VRMT. Samy tany Etazonia avokoa ireo. Nanosika azy hizara ny traikefany ho an’ireo mpianatra eny Vontovorona raha ny nambarany ny fahitany fa tsy ampy ny fahalalan’ny mpianatra malagasy  ny tontolon’ny fitrandrahana solika. Ankoatra izay dia vitsy koa ireo teknisianina ambony sy injeniera miasa amin’ity sehatra hoavin’ny toekaram-pirenena afaka taona vitsy ity.  Marihina fa ny 80%-n’ireo mpiasa ao amin’ny Petromad izay manao fitsirihana ao amin’ny faritr’i Bezaha dia vahiny avokoa. Asa sy fidiram-bola tokony ho antsika malagasy anefa izany. Nohamafisiny avy hatrany moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny petromad sy ny Cur Vontovorona ka mpianatra 20 no hanaraka fiofanana mandritra ny 6 volana any an-toerana. Nanamafy rahateo Atoa Randrianja, tompon’andraikitry ny fampianarana amin’ny taranja solika sy ny harena ankibon’ny tany fa ilaina tokoa ny fidinan’ny manampahaizana toy izao eny amin’ny sekoly satria mampitombo ny fahalalan’ny mpianatra izany. Marihina fa mbola hanatanteraka famelabelaran-kevitra any amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa koa ramatoa Rasolovoahangy Emma.

Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT