Actualités

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Tsy mazava ny nalehan’ny vola


  • Talata 25 Septambra 2012


 Navoakan’ny EITI Madagascar (Extractives Industries Transaparency Initiative) ofisialy teny Antaninarenina omaly ary natolotr’izy ireo nivantana tamin-dRtoa Randriafeno Tolotrandry Rajo Daniella minisitry ny harena ankibon’ny tanin’ny fitondrana tetezamita, ny tatitry ny fanadihadiana nataon-dry zareo mikasika ny vola naloan’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tamin’ny fanjakana ny taona 2010 sy ny fijerena tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hoe : ohatrinona marina no voaray tamin’ireo mpitrandraka ireo.

Nambaran’Atoa Tahiny Tsarabory Judicaël, sekretera mpanatanteraky ny EITI, fa nahitana elanelany tamin’ireo mari-bola roa nojerena ireo ka nitondran-dry zareo fanazavana nisinisy kokoa izany tamin’io omaly io. Raha ny vola voarain’ny fanjakana izany dia nahatratra 318 miliara Ariary. Nisy elanelana teo amin’ny (-0,4%) tamin’ny fampitahana natao. Miiba io tarehimarika io, hoy ity tompon’andraikitry ny EITI ity, satria ny fanjakana indray izany no naharay vola bebe kokoa. Ny antony dia tsotra be, hoy izy, satria naharay “droits de douane” tamina orinasa izy izay tsy tokony handoa izany ary mitentina bebe ihany io vola io.

Azo jerena anaty site web an’ny EITI ny antsipirihany. Ny EITI moa, hoy Atoa Tahiny Tsarabory, dia tsy mijery hoe : io ve no tokony hiditra fa anjaran’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny ministeran’ny tetibola ary ny “Cour des comptes” no manao izany. Fa ny asanay dia ny mamoaka fotsiny hoe : ohatrinona no naloan’ny orinasa ary ohatrinona no voarain’ny fanjakana tamin’ny vanimpotoana anankiray. Nomarihan’Atoa Tahiny Tsarabory Judicaël fa nahafapo ny komity nasionaly EITI Madagascar» sy ny komity iraisam-pirenena koa ity tatitra ity satria voalaza tamin’ny antsipirihany ao ny vola naloan’ny orinasa lehibe rehetra eto amintsika tahaka an’Ambatovy, QMM, Holcim, Kraoma...

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT