Hasiam-panavaozana ny lalŕna mifehy ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Tanterahina etsy amin’ny DLC Anosy mandritra ny roa andro izay natomboka omaly ny atrikasa mifandraika amin’izany hiarahana amin’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny.
Lafin-javatra maro no voakasika ao anatin’izany, raha araka ny fanazavan’ny minisitry ny harena stratejika Lalarisaina Joeli Valérien. Lohalaharana amin’izany ny resaka fitantanana mba hampangarahara ny fitrandrahana ataon’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny eto amintsika, ny fitsinjovana manokana ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra amin’io resaka fitrandrahana io ary fahatelo farany ny fanomezana fiofanana ireo tanora Malagasy amin’ny resaka fitrandrahana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.