Actualités

Fitrandrahana “Graphite” ao Ambatolampy Loza ho an’ireo mpianatra madinika


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Fahasimban’ireo voly sy ny fiainan’ireo mponina ao an-toerana, raha ny fitarainan’ireo fokonolona manamorona toeram-pitrandrahan’ny orinasa kanadianina 1 ao Ambatolampy, distrikan’i Brickaville,

no nateraky ny fitrandrahana ataon’ity orinasa ity. Efa nisy, raha ny fampitam-baovao ny fifampiresahana teo amin’ireo mponina sy ny tompon’andraikitry ny orinasa tany aloha tany ary nitsangana taorian’izay koa ny komitin’ireo mponina misahana ny fifanarahana. Ny 7 jona teo indray anefa no nisy fihaonana farany tamin’ilay kanadianina, hoy ireo mponina, ary ankehitriny dia nivaona tamin’izay nifanarahana ny zava-mitranga satria dia miha miroso amin’ny tsy fanarahan-dalàna ireo vahiny. Ireo mpianatra ao amin’ny sekoly izay manamorona ity toeram-pitrandrahana vato “Graphite” ity moa no tena atahoran’ireo mponina satria dia lalina loatra ilay lavaka ka ahiana ho latsaka any ireo zaza. Nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, noho izany, ireo mponina mba hijery ny toe-draharaha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT