Actualités

Fitrandrahana fasimainty Tsy eken’ny vahoakan’i Toliara


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Tsy nahomby ny fanelanelanana sy ny fampanantenana isan-karazany nataona tompon’andraikitra sy olona ambony sasany eto amin’ny firenena nandresy lahatra ny vahoaka. Miziriziry ireto farany ary lavin’ny mponina any amin’ny distrikan’i Toliara II sy mponin’i Toliara ny hitrandrahan’ny orinasa Toliara Sands fasimainty amina kaominina efatra any an-toerana. Velaran-tany mirefy 5 000 ha mahery no hitrandrahan’io orinasa io fasimainty.

 

 

 

 « Ho ringana ny ala, ho ripaka ny biby sy ireo harena voajanahary hafa tsy roa aman-tany, indrindra ny ao amin’ny alan’i Ranobe sy Mikea, izay fiveloman’ny olona sy miantoka ain’olona ny ala sy ny tontolo. Ho potika ihany koa ny kolontsain’ny foko Masikoro sy Vezo, satria tsy manaja fomban-tany ny orinasa », hoy ny mponina.

Ady saritaka

« Efa hatramin’ny volana oktobra 2014 ny disadisa. Vao mainka nampiakatra ny hatezeram-bahoaka ny fanangonan-tsonia fitaka mba hahazoana haingana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana », hoy ny raiamandrenibe to teny mpitan-kazomanga any an-toerana. Raha ny loharanom-baovao dia misy tompon’andraiki-panjakana misisika mafy sy manao ny fomba rehetra ahafahan’ity orinasa ity mitrandraka fasimainty haingana any an-toerana, nefa ny vahoaka manda hatramin’ny farany, tsy manaiky ny hivarotana ny tanindrazany. Ahiana ny mety hisian’ny fifandonana hiafara amin’ny ra mandriaka.


 

Eric R.

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT