Actualitテゥs

Fitrandrahana fasimainty ao Ranobe Toliara Manaiky ny 84%-n地y vahoaka nakan-kevitra


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Ny 84%-n段reo olona 2 500 nohadihadiana ny volana oktobra 2014 tamin段reo toerana dimy hiasan地y tetikasa no manaiky ny hitrandrahan地y Toliara Sands fasimainty ao Ranobe. Io no tatitra navoakan地y ォ Comit� d脱nqu黎e d但udience Publique サ, komity mahaleotena nomen地y ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana alalana nanatontosa fanadihadiana fakan-kevitra nihainoana sy nangatahana ny soso-kevitry ny vahoaka. ォ Dingana tsy maintsy atao alohan地y hahazoana ny ォpermis environnemental サ na fahazoan-dalana hitrandraka ny fakan-kevitra サ, hoy ny ONE.

 

Resy lahatra ny vahoaka

«Ekenay mpitondra ara-drazana ny hitrandrahana fasimainty fa hitondra fampandrosoana sy fivoarana ho an’ny taninay sy ny taranakay ny tetikasa», hoy ireo olobe to teny mpitan-kazomanga.  «Manaja ny fifanarahana misy sy bokin’andraikitra izahay ho tombontsoam-bahoaka  sy fiarovana ny tontolo iainana», hoy i Rudy Fida Cyrille, mpandrindram-paritry ny Toliara Sands. Hialana amin’ny tsaho inian’ny sasany aely hanaratsiana endrika ny tetikasa dia misy ny fandraisana ireo fitarainana samihafa sy soso-kevitra ary misokatra foana ny adihevitra hirindran’ny tetikasa ho fanoitry ny fampandrosoana.

Fampandrosoana maharitra

Asa mivantana 250 no vokarin’ny tetikasa Toliara Sands. Hitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra isan-karazany sy tamberi-bidy. Hatramin’ny taona 2001 no ho mankaty nanaovan’ity orinasa ity fikarohana dia vola mitentina 35 tapitrisa dolara amerikanina no efa laniny. Ny jolay 2014 teo no napetraka ny « Etude d’Impact Environnemental »-n’ny tetikasa niaraka tamin’ny fandoavana vola « Frais d’Evaluation » araka didy hitsivolana voafaritry ny MECIE. Tafapetraka ihany koa ny tetikasa fampandroasoam-paritra ka ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana no filohan’izany.

Eric R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • 48 ora taorian窶冢y
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran窶冢y PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L窶僣ABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin窶冢y kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalテ�na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT