Actualités

Fitrandrahana andramena Misy tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny tambajotra, hoy ny ministry ny tontolo iainana


  • Zoma 18 Jona 2010

Fidiram-bola nahavoasoketa mafy ny FAT tamin’iny taona 2009 iny ny raharaha “bois de rose” na andramena. Nahatratra 25.000m3 izy ireo no ripaka tany amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny nosy raha kaontenera 1137 feno azy kosa no niondrana nankany ivelany.

Ny profesora Zafy dia nanizingizina fa ireo mpitondra ao amin’ny FAT no tompon’antoka voalohany amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ity harena sarobidy ity ary efa saika hanao ampamoaka mihitsy aza ny tenany. Niaiky koa ny ministry ny tontolo iainana sy ny ala, ny jeneraly Raveloharison Herilanto fa misy amin’ireo olona ambony no miray tsikombakomba amin’ity raharaha ity. “Eo am-pijerena ny lesoka mihitsy izahay izao saingy tsy andraikitry ny ministeran’ny tontolo iainana irery anefa izany satria misy tompon’andraikitra amin’ny fadin-tseranana sy avy ato amin’ny ministera ihany koa manome alalana sandoka izay mampivoaka ny vokatra na dia efa voarara aza izany”.  Nomarihiny koa fa misy tambajotra matanjaka mihitsy no miray loha amin’ity resaka bolabola ity. Manomana atrikasa hamolavolana paikady sy drafitrasa hamongorana ity trafika ity ny FAT ato ho ato.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT