Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola malagasy raha oharina amin’ireo vola vahiny toy ny Euro sy ny dolara. Ireo mpandraharaha no tena hiharan’izany mivantana, hoy Ny Riana Nampoina Raharimanjato, tale jeneralin’ny orinasa Gasy plast etsy Ambohimalaza
. Nambarany fa ireo mpandraharaha manafatra entana avy any ivelany no tena voa mafy. Tsy maintsy jerena avokoa mantsy, hoy izy ny fividianana entana any ivelany sy ny fivarotana izany eto an-toerana mba tsy hahafaty ny orinasa ankoatra ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny izay tsy maintsy hampifandanjana amin’izany ihany koa. Na izany aza anefa ho azy ireo manokana dia mbola mampiditra mpiasa hatrany izy raha miezaka manena mpiasa kosa ny orinasa sasany. Mikasika ny fanambaran’ny minisitera momba ireo harona sachet biodegradable hamidy eny an-tsena tsy nahazoana alalana indray dia nanambara izy ireo fa manana certificat international manome alalana azy hanao izany ny orinasa Gasy plast fa ny laboratoara hijerena sy hanaraha-maso izany no tsy mbola misy eto amintsika. Mampiavaka azy ireo rahateo, hoy hatrany ity tale jeneraliny ity ny fanamboarana ny sachet amin’ny alalan’ny mangahazo izay azo hanina sy potika avy hatrany ka tsy atahorana hanimba tontolo iainana. Tsiahivina moa fa namoaka vokatra vaovao indray izy ireo toy ny aron’akanjo ho an’ny dokotera izay biodegradable ihany koa, ny fonom-pandriana fandidiana marary, ny fandrakofana ireo faritra hipetrahana rehefa mivoaka ao amin’ny trano fivoahana…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.