Actualités

Fitoriana tamin’ny fifidianana Hivoaka amin’ny 17 septambra ny didim-pitsarana rehetra


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Samy manana ny fandraisany ny fizotran’ny fitsarana ireo fitoriana rehetra azo mahakasika ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana avokoa ny haino aman-jery.

 

 Samy mirirotra izay voalazan’ireo mpitory sy voapanga ary ny voalazan’ireo mpisolovava azy ireo tsirairay avy araka ny hevitra mahamety azy avokoa ireo mpanao gazety rehetra manangom-baovao eny. Ny azo antoka aloha dia misy ny arafitra amin’ny alalan’ny fihetseham-po ny ankamaroan’ny fitoriana nataon’ireo mpitory na miompana amin’ny tsy fitiavan’olona fotsiny izao. Tsy misy afaka mitompo teny fantatra anefa fa ny mpitsara ihany koa tompon-teny farany amin’izay didy havoakany eo. Araka ny nampahafantarin’ny mpitsara omaly ary dia rahampitso zoma no hamaranana ny fehin-kevitra rehetra tamin’ireo antontan-taratasy rehetra voarain’ity fitsarana ity ary efa nandalo teo aminy. Ny alakamisy 17 septambra no voalaza fa hamoahan-dry zareo ny didim-pitsarana rehetra. Ny zoma 18 septambra kosa no hamoahana miaraka ireo voka-pifidianana ofisialy rehetra manerana ny nosy tamin’iny fifidianana kaominaly iny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT