Actualités

Fitoniana amin’ny ahoana e ?


  • Zoma 11 Desambra 2015

Kinga be ery indray ianareo ry Jean Rabefananarana miantso fitoniana mba hanaovan’ny valalabemandry fety an.


Marina tokoa aloha izany e ! Tsy aleo tokoa ve mba hohadinoina kely any ity resa-politika sy gidragidra miampy fifanasana vangy isan’andro ity fa aleo mba izay hampifalifaly ny ankohonana sy ny fianakaviana no banjinina. Mba te hanao an’izany tokoa anie izahay ry Jean nefa tsy afa-manoatra e. Ny an-tanan-dany, ny antenaina tsy azonareo ampifilafilaina, ny jiolahy koa ity manao ny ataony ka inona no hampilamina amin’izany e? Mba satrinay ihany koa anie ry Jean ny hilamindamina amin’izao faramparan’ny taona sady fahavaratra izao, fa nefa toa ianareo ihany indray anie ity no manao izay tsy hilaminana e ! Ianareo ihany anie no manao amboletra hanaovana fifidianana andro fahavaratra, na efa voarara izao aza fa tsy fanaovana fifidianana ny fahavaratra. Ireny aza ny akamanay efa voatso-drano, vita fiofanana fa Ben’ny tanàna nefa vetivety eo dakanareo ambavafo, ka fitoniana amin’ny ahoana e ?

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT