Anisan’ireo faritra tena hiasan’ny teratany Soisa ny ao Vakinankaratra ary hiasan’ny fandaharan’asa vatsian’ny fitondrana Soisa vola ihany koa. Manoloana izany dia nanararaotra nitsidika an’i Vakinankaratra ny tompon’andraikitra Soisa mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izay tarihin’ny
« Président du conseil d’état Suisse », Atoa Claude Heche. Nandritra ny fitsidihana nataony dia nanambara fa afa-po amin’ny asa iandraiketany aty Madagasikara ireo delegasiona Soisa ireo. Nisy ny fitsidihany ny Lehiben’ny faritra Vakinankaratra Andriamatoa Andrianjanaka Mandrindra Albert sy ny lefitry voalohan’ny delegasiona manokana Antsirabe izy ireonanadihady mahakasika ny fomba fitantanana ny kaominina Antsirabe. Fa mahakasika ny fampandrosoana ny Faritra dia nahaliana azy ireo ny resaka nifanaovany tamin’ny Lehiben’ny Faritra izay nahafahan’izy ireo namantatra ireo vina sy tetikasa maro rantsana kasaina hotanterahina mandritra ny fohy ezaka sy antonony ary ny lavitr’ezaka. Vonona hatrany ny amin’ny fiaraha-miasa izy ireo raha ny fantatra satria porofo iray lehibe amin’izany ny fisian’ny fandaharan’asa MATOY izay ny Faritra no mpiara-miasa mivantana amin’izany. Fa nahabe fanantenana ireto delegasiona ireto ny nahafantarany fa Filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria ny, Lehiben’ny Faritra ankehitriny, ary mety tena hahay hijery ny fampandrosoana. Mifanandrify tsara amin’ny fampandrosoana sy ny fanaingana ny toekarena katsahin’izy ireo atao arak’izany ny resaka. Ny fananan’i Vakinankaratra toe-tany sy toetr’andro mety amin’ny famokarana dia tombony lehibe ao Vakinankaratra. Anton-dian’ireto delegasiona ireto ihany koa ny hanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy ka handrefesana ny mety hatao. Nisy ihany koa ny fitsidihina ireo asa misy fiaraha-miasa amin’ny firenena Soisa toy ny sekoly ambony ESSVA, izay tantanan’ny katolika sy ny orinasa HOLCIM. Ny tetikasa MATOY moa dia niezaka nampahafantatra ireo asa niandraiketany tamin’ny fidinana ifotony tany Vinaninkarena. Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ireto delegasiona ireto taty Vakinankaratra, izay mitohy amin’ny fanantanterahana ilay foara ao amin’ny Hotely Carlton Antananarivo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.