Noraisina tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly alatsinainy 19 jona ny vary milanja 3100 taonina avy amin’ny governemanta sinoa, izay tonga indroa miantoana ny herinandro teo.
Mahatratra 4300 taonina ny vary avy amin’ny sinoa, ka vinavinaina ho tonga ny volana aogositra ny andiany faha-3 farany. Voalaza fa hamatsiana sy hanarenana ny fatiantoka nateraky ny rivodoza Enawo, ka nampitotongana ny famokarana sy nampidangana ny vidim-bary izy io. Ny Sampandraharaha misahana ny fiatrehana ny loza voajanahary (BNGRC) no handray an-tanana ny fitantanana. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mihitsy no nandray ny fanampiana tany an-toerana omaly ary nanolotra izany tany an-toerana ny masoivoho sinoa Yang Xiaorong. Asa na mba hampihena ny vidin’ny vary eto amin’ny firenena izy ity na ho lasa bizina sy hanaovan’ny mpitondra propagandy fotsiny, ka dia ny omaly tsy miova ihany no hiainan’ny besinimaro. Tsy fantatra mazava koa ny ambadik’itony fanampiana avy amin’ny sinoa ity na misy hifandraisany amin’ny fanomezana vahana azy ireo, toy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany na ahoana. Efa tena an-tampondoha anefa ny fahantrana, ka manantena ny rehetra fa hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro. Hireharehan’ny mpitondra fa izy ireo mihitsy no nandray an-tanana ny vary mampitaraina vahoaka, ka miandry izay ho vokany ny rehetra. Vahaolana maharitra sy azo tsapain-tanana toy ny fidinan’ny vidim-piainana no ilain’ny vahoaka fa tsy seho ivelany. Mikofokofoka rahateo i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM amin’izao fotoana izao raha tsy hita izay nafitsoka tao anatin’izay 3 taona nitondrana ny firenena izay. Antomotra ny fifidianana, ka tsy mahatombina firy intsony fa miezaka maka ny fon’ny vahoaka amin’ny fizarazarana zavatra, fitokatokanana fotodrafitrasa … Tsy resahina intsony ny vahaolana petatoko arahina hadedahana fa mitsinjo ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.