Actualités

Fitokonan’ny mpitsara Tavela irery ny filohan’ny SMM


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Efa ho iray volana mahery izao no tsy nandrenesam-peo intsony ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM).

Tsy mbola nisy anefa ny filazana ofisialy tahaka ny nataon’ny mpiraki-draharaha fa mijanona ny fitokonana. Raha ny tena izy, mbola ao anaty fitokonana lavareny ny mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara. Tsy izay anefa ny zavatra hita, tahaka ny etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy fa mandeha tsara ny raharaha rehetra na ny fikarakarana taratasy na ny fitsarana. Miasa avokoa ny mpitsara rehetra matoa mandeha ny asa ary tsy misy ny fitarainana re. Hoy ny resaka re etsy Anosy : efa ramatoa Faniry Ernaivo filohan’ny SMM irery angamba sisa no mitokona fa ny namany rehetra namonjy birao avokoa ! Inona no mety ho antony ? Tsy fantatra mazava ! Azo sary an-tsaina ny resaka nandeha fa misy mpitsara sasany mahazo vola sy ny ambadika politika. Nandà mafy an’io ny filohan’ny SMM tamin’ny resaka rehetra nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Fitakiana madio ny ataonay mpitsara, hoy izy. Resiny lahatra amin’izany ve ireo mpitsara namany ? Etsy an-kilan’izay, mety nanova zavatra ihany koa ny fiovan’ny minisitry ny fitsarana. Re mantsy fa tena hentitra sady manana paikady mafy be ny minisitra vaovao Rtoa Rasolo Elyse Alexandrine fa tsy malemilemy fihetsika toy ilay teo aloha. Efa lasa voafidy ho mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ihany koa ny lohandohan’ny mpisorona iray tao amin’ny SMM ka azo antoka fa nisy akony tamin’ilay fitokonana izany. Efa manakaiky ity ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ka tsy any amin’ny fitokonana sy fitakiana intsony ny sain’ny olona. Miakatra ve ny soratra ho an’ny SMM sa ao anatin’ny 2018 taom-pifidianana vao hitokona indray ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT