Actualités

Fitokonan’ny mpitatitra entana sy ny “transitaires” Namono afo i Beboarimisa Ralava


  • Talata 12 Desambra 2017

Nampikoropaka ny fitondram-panjakana ny fanapahana noraisin’ireo mpitatitra entana sy ireo Transitaires tao Toamasina, amin’ny anaovan’izy ireo fitokonana tsy voafetra nanomboka omaly ho fangatahan’izy ireo ny fihainoan’ny fanjakana ny olana mianjady amin’izy ireo ataon’ny MICTSL,

izay efa nanaovany fanairana im-balo nefa tsy misy mpihaino. “Efa loza mihatra ny mahazo anay amin’ny asanay noho ny tsy fatokisan’ny mpanjifanay amin’ny ataon’ny orinasa Mictsl, hany ka na fanapahan-kevitra sarotra sy hitanay fa hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena sy aim-bahoaka aza ny fitokonana hataonay dia tsy maintsy natao mba hisy mpihaino izahay”, hoy ireo fikambanana mpitatitra entana sy ireto fikambanan’ny “Transitaires” omaly talohan’ny fihaonana tamin’ny minisitry ny fitaterana tao amin’ny efitrano fivorian’ny SPAT. Nandefitra anefa izy ireo omaly, araka ny fangatahan’ny minisitra Ralava Beboarimisa, izay nampiantso fihaonana teo amin’ny roa tonta. Naharitra ora iray ny fihaonana. Adiny iray sy sasany kosa ny anjaran’ny MICTSL, ity farany izay nihiboka an-trano ny fihaonana natao. Nilaza ny minisitry ny fitaterana fa nisy teboka maromaro neken’ny MICTSL ny handamina azy amin’izao dingana voalohany izao, toy ny fampitomboana ho fito andro ny famoahana entana tsy hitataovan-ketra, fanofana fitaovana hanampiany ny tsy ampy ao aminy amin’ny fibatana ny entana, famoahan’ny Mitcls ny laharan’ny kaontenera misy ireo vary ary fanafarana fitaovana vaovao ho tonga amin’ny volana mey. Taorian’izay dia samy nilaza fa afa-po ny an-daniny sy ny an-kilany na mbola hiantso fihaonana manaraka eo amin’ny roa tonta aza ny minisitra.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT