Actualités

Fitokonana faobe Hifamotoana eny anoloan’ny ministera ny mpiasam-panjakana


  • Talata 12 Oktobra 2010


Araka ny fanambarana nataony ny zoma 07 oktobra lasa teo dia hiroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasam-panjakana tsy ankanavaka manomboka anio rehefa niandry vasoka ny fanatanterahan’ny mpitondra ny fampanantenany am-bolana maro. Araka ny fanazavan’ireo mpitarika ao amin’ny (F3M) Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana dia samy hisy hetsika avokoa ny ministera rehetra. «Eo anoloan’ny ministera avy no mifamotoana ny mpiasa manomboka amin’ny 9 ora sy sasany miandry izay toromarika. Eny amin’ny ministeran’ny fampianarana kosa ny mpampianatra raha ao an-tokotanin’ny HJRA ireo mpiasan’ny fahasalamana”, hoy i Tsialofana anisan’ireo mpitari-tolona ao amin’ny F3M. Matoky ny fahombiazan’ny fitokonana ny tenany satria samy nankato ny hetsika avokoa, hoy izy ireo mpiasa nanaovan’ireo solontena nitety ministera fanentanana.

Momba ny sendika SFDM izay miantso ny mpiasam-panjakana tsy hanaraka ny grevy dia nambarany fa tsy misy antony tokony mbola hampijoro azy. «Tsy misy ilana sendika tsy miady ny zon’ny mpiasa izany». Andrasana, araka izany, raha hanaraka ny toromariky ny F3M izay ivondronan’ny sendika sy fikambanana 30 ary misy ny sokajin’asa rehetra ireo mpiasam-bahoaka. Raha tsiahivina dia ny fampitoviana ny marikarama ho an’ny mpiasam-panjakana mitovy sokajin’asa sy mitovy mari-pahaizana araka ny andiny faha-28 sy 34 amin’ny 2003-11 ao anatin’ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana no takian’izy ireo. Nanaraka ny lalàna velona eto amintsika ny F3M satria 48 ora mialoha no efa natao ny fampandrenesana fitokonana ary nandefasana taratasy koa ny praiministra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT