Actualités

Fitokonana eny amin’ny Oniversite Raikitra koa ny ao Barikadimy sy Antsiranana


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010


pianatra amin’ny taona voalohany miisa 500 ao Barikadimy Toamasina no tsy nahazo vatsimpianarana nandritra ny fito volana. Ela niandrasana izy ireo. Feno ny kapoaka ankehitriny ka dia hiroso amin’ny fitakiana ary ho mafimafy izany, manomboka anio. Anio koa ireo mpampianatra mpikaroka any an-toerana no hifamory handinika ny hanamafisana ny fitakiana efa nirosoan’ny SECES Antananarivo. Rehefa nivory koa ny mpampianatra mpikaroka tany Antsiranana dia tapa-kevitra fa hiroso amin’ny fitokonana hanamafy ny eto Antananarivo sy ny any Toliara izy ireo. Tsy zakan’ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ary nampiakatra afo azy ireo ny fiampangana azy ireo ho mpangalatra amin’ny «heures complémentaires», manginy fotsiny ny fampanantenana poakaty lava atao azy ireo. Sorena tanteraka tamin’izany ny mpampianatra ary nilaza mihitsy hoe : avoahy ny porofo raha nisy nangalatra dia gadrao fa aza ny mpampianatra rehetra no endrikendrehana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT