Actualités

Fitokonana any Ambatovy Miady hitovy zo amin’ny mpiasa vahiny ireo mpiasa malagasy


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Andro fahatelon’ny fitokonan’ny mpiasa sasany ao Ambatovy Tanandava ny omaly. Tao anatin’izay dia maro ny fitakiana nataon’izy ireo ho an’Ambatovy hisiana sy hirosoana amin’ny fifampidinihana hiverenana hiasa ho an’ireto mpiasa sasany mitokona ireto.

 

Anisan’ny fitakian’ireto mpiasa Malagasy ao Ambatovy ireto ny hampitoviana ny tombontsoany hitovy amin’ireo vahiny miasa ao amin’ny orinasa ka raha ny angom-baovao dia mangataka ny hampiakarana izany ho 340 dolara izy ireo amin’ny tomban-karamany, ny fahazoana volana 13 (13ème mois) sy aroloza ara-bola ary ny fanatsarana ny fiarovana ara-pahasalamana azy ireo, ary eo koa ny fangatahana ny fanalana ireo tompon’andraikitra misahana ny mpiasa sy ny maha olona miisa 04, ka frantsay ny roa ary Malagasy ny roa. Ho an’Ambatovy kosa dia misy hatrany ny fifanatonana eo amin’ny mpiasa sy ny filohan’Ambatovy hamahana ny olana ara-mpiasa ao aminy. Ho an’Ambatovy dia ny sendika mitarika ireto mpiasa mitokona no manao be marenina sy te hanakorontana ary te hiteraka olana eo anivon’ny orinasa izay mandalo fahasahiranana noho ny fidinan’ny tolotra sy tinady amin’ny vidin’ny vokatra nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’Ambatovy dia ity sendika mitarika fitokonana ity no manodinkodina ny lalam-pifehezan’ny orinasa sy ny lalan’ny asa Malagasy ka mahatonga ny olana.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT