“Ela niaretana izahay ka tonga ny fotoana mba hampiakaram-peo hijerena ny zon’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra”, hoy ireo mpanabe eny Ankatso omaly teny an-toerana. An-taonany no nangatahan’ireto mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo mivondrona ao amin’ny sendikan’ny Seces ireto ny hijerena ny mikasika ny tambin-karaman’izy ireo fa tsy mbola azo hatramin’izao. “Efa lalŕna tapaka eo
anivon’ny fitondram-panjakana izy io fa ny sonian-dramatoa minisitry ny Fampianarana ambony no andrasana “, hoy i Dokotera Ravelonirina Sammy Grégoire, mpitam-bolan’ny Seces. Ankoatra izay dia itarainan’ireo mpampianatra koa ny mikasika ny fampitaovana ny fivadihana amin’ny rafitra LMD izay ilana fitaovana sy vola. Fa ny tena nahafeno ny kapoakan’ireto mpampianatra ireto ka nahatonga izao hetsika fanairana izao indray dia ilay tatitry ny filankevitry ny governemanta manafoana ny “ maintien d’activité” izay raha adika tsotsotra dia mampiato ireo mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra efa tokony hisotro ronono tsy hanohy ny asany intsony manomboka amin’ny volana mey. Zava-doza anefa, hoy ireo mpampianatra ireo raha izany no hatao satria ny 70%-n’ireo mpampianatra 1 400 eran’i Madagasikara dia tsy maintsy miato amin’ny asany avokoa dia iza no handimby azy ireo tampotampoka eo ? Ireo mpianatra manomana fanadihadiana mamarana ny fianarany anefa mila ireo mpampianatra ireo. “Tsy malaina ny hisotro ronono izahay, zaranay aza fa tsy tokony hohadinoina fa efa 30 taona no tsy nisy fandraisana mpampianatra mpikaroka ho mpiasam-panjakana intsony”, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo. Andrasan’izy ireo ny fiovan-kevitry ny fitondrana. Efa mahazatra an-dry zareo rahateo moa io miovaova fanapahan-kevitra io, fa tsy hobaikon’ny mpamatsy vola lava izao, hoy hatrany ireto mpikambana ao amin’ny Seces ireto.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.