Tsy nanakana ny firoson’ny asa ataon’ny fitsarana ao Toamasina amin’ny fisamborana sy fampidirana olona am-ponja, ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha nanomboka ny alatsinainy teo
. Nampiasa ny OMP na “Officier du Ministère Public” eo anivon’ny distrika izay mahasolo ny asan’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ireo distrika tsy misy fitsarana ny fitsarana ao Toamasina. Araka ny fanazavana dia olona nanao fianianana tahaka ny mpiraki-draharaha ihany koa ireo OMP ireo, ary afaka misolo ny toeran’ny fampanoavana amin’ny toerana tsy misy fitsarana. Raha ho an’i Toamasina dia Fenoarivo atsinanana, Mananara avaratra, Mahanoro, Brickaville ary Anosibe an’ala, no nampiasana ireo OMP ireo amin’ny fisahanana ny antontan-taratasin’ady avy eo anivon’ny polisy sy ny zandary. Raha ho an’ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Mananara avaratra tokony ho nampidirina fampanovana tao Toamasina izao, dia voatery ao Fenoarivo atsinanana no nisahanana ny raharaha. Nomarihan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony Toamasina, fa natao izao fomba fiasa izao mba hisahanana ny raharaha maika satria tsy afaka hihoatra ny 48ora ny hitazonana ireo olona ireo eo anivon’ny zandary na polisy. Ankoatra izay, nomarihan’ny filoha voalohany sy ny lehiben’ny mpampanoa lalana ao Toamasina, fa io fisamborana sy fampidirana am-ponja io ihany no mandeha eo anivon’ny fitsarana, fa ireo raharaham-pitsarana ankoatra izay dia mikatso avokoa noho ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.