Actualités

Fitokonan’ny mpiraki-draharaha Manomboka manahirana ny polisy


  • Alarobia 05 Desambra 2012

Raha ny hita omaly dia manomboka sahirana ny polisy noho ny fikatonan’ny fitsarana vokatry ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha.

 Mizara roa mantsy amin’ny ankapobeny ireo olona voatazona eny amin’ireo kaomisaria. Eo aloha ireo nosokajiana fa nanao heloka maivana, izay azo avotsotra sy alefa mody ihany rehefa dila ny fe-potoana voatondron’ny lalàna ahafahana mitazona azy, fa eo kosa ireo nahavita heloka be vava, izay ahiana hitsoaka sy tsy ho hita intsony raha avotsotra. Araka ny fehezan-dalana famaizana eto Madagasikara dia 48 ora no hahafahana mitazona am-ponja vonjimaika ny olona iray atao famotorana eny amin’ny polisy na ny zandary. Dila io fe-potoana io dia tsy maintsy miresaka amin’ny fitsarana ny mpitandro filaminana raha toa ka mbola ilaina itarina ilay fitazonana, ka mety mbola afaka ampiana 48 ora indray ilay izy, fa dila kosa io, na misy na tsy misy ny fampiakarana ny raharaha eny amin’ny fampanoavana dia tsy maintsy avotsotra ilay olona.

Efa io fepetra io no noraisin’ny polisim-pirenena teto Antananarivo renivohitra nanomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo, fantatra fa efa manomboka feno ihany ny “violon”, saingy na izany aza dia manamafy ny polisim-pirenena fa mbola voahaja ihany aloha hatreto ny zon’olombelona. Raha mitohy mandritra ny roa na telo andro kosa anefa ny fitokonan’ireo mpiraki-draharaha dia, mety hanahirana ihany ny toe-draharaha satria dia ho feno hipoka ireo “violon”, rehefa dila kosa anefa ny fe-potoana hahafahana mitazona ireo nahavita heloka, dia tsy maintsy hamotsotra azy ireo ihany ny polisy. Midika izany fa mila hita amin’ity herinandro ity ny vahaolana amin’ny fitakian’ireo mpiraki-draharaha ary dia miverina miasa haingana izy ireo, satria mikatso ny asam-pitsarana eny Anosy eny ary maro be ireo olona lany fotoana sy lany vola tonga eny isan’andro.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT