Nanamafy indray omaly ny sendika 11 ivondronan’ny mpiasa fa mitohy ny fitokonana faobe ataon’ny mpiasan’ny Jirama amin’ity alatsinainy 10 aogositra ity
. Fanambarana izay nandiso izany ny fanambarana hafa nataon’ny sendika 3 ny sabotsy lasa teo. Tsy mbola milamina tsara ny resaka ary tsy mahafa-po ny famaliana ny fitakiana na dia teo aza ny fifampidinihana tamin’ny mpitondra fanjakana, hoy ireto vondrona sendika hanohy fitokonana ireto. Hevitra tsy mitovy ve sa tena misy ny adin’ny samy sendika eo anivon’ny Jirama matoa misy fanambarana 2 mifanipaka tahaka izao ? Ny fanomezana ilay orinasa Amerikanina Symbion Power ny fitantanana toeram-pamokaran’ny Jirama vitsivitsy mandritra ny 20 taona moa no tsy mampitovy hevitra ny roa tonta.Ny zava-mitranga amin’ity alatsinainy ity ihany no hahafahana mamantatra hoe izay miteny ny marina.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.