Actualités

Fitifirana an'i Tsong Tsy hita ilay vehivavy niaraka taminy


  • Zoma 12 Novambra 2010


Mbola mifonofono zavatra maro ilay resaka fitifirana teny Antsakaviro ka nahafaty an'i Tsong. Nisy vehivavy iray olon-tiany niaraka taminy teny ambony moto tamin'io fotoana io. Naseho ny mpanao gazety mihitsy izany teny amin'ny tranompatin'ny Hjra ny hariva nahafaty an'i Tsong. Hatramin'izay ka hatramin'izao anefa dia tsy nipoitra teny amin'ny zandary ity tovovavy ity. « Tamin'ny gazety no nahalalako izany. Tsy naterina taty aminay mihitsy izany tovovavy izany. Raha ny Fis no nahatratra azy dia tsy manan-jo hitazona olona ny Fis. Hatramin'izao aho anefa tsy mahalala mikasika izany », hoy ny kolonely Ravalomanana Richard raha nanontaniana mikasika ity tranga ity. Ny mahavarina amin'ity tranga ity dia na ny havan'ilay tovovavy ihany koa aza dia tsy misy mahasahy mipoitra hilaza ny amin'ny havan'izy ireo. « Tokony hialana ny toe-tsaina tsy maty manota na iza izy na iza. Rehefa manao zavatra dia raisina ny andraikitra sy ny vokatr'izany. Amiko, na iza manao hadisoana na iza dia manolotra izany ny Fitsarana no anjaranay », hoy ihany ny kolonely Ravalomanana Richard. Ho hita eo moa ny tohin'ity raharaha ity.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT