Tamin’ny taona 2008 sy 2009 dia nanomboka nampiharina ny fanovana izay nokasaina hatao teo anivon’ny fampianarana Malagasy.
Hevi-dehibe roa no azo hamehezana izany. Ny voalohany dia ny fanalana ny fitenim-pirenena vahiny tsy ho tenim-pampianarana intsony, ary ny faharoa kosa dia ny fanafoanana ny famerenana lakilasy ary ny fialana tamin’ny fanadinana ofisialy vitsivitsy. Ankehitriny, vantany vao nipetraka izao fitondrana izao dia naverina avokoa ny nahazatra taloha.
Inona marina moa ny antony nanalana ny fiteny frantsay tamin’ny fiteny fampianarana ? Mampihena ny fari-pahaizan’ny ankizy ve izany ? Marihina fa ny tiana napetraka tamin’ireny dia tsy nidika velively hoe nalana tsy ampianarina teny vahiny intsony ny ankizy, fa ny teny ampianarana no atao izay ahazoan’ny ankizy azy, tsy voatery ihany koa anefa hoe amin’ny teny Malagasy ofisialy. Izay ilay hoe “BI-LINGUISME”. Ny tantara sy jeografy, ny kajy ... izany dia tsy voatery atao amin’ny teny frantsay intsony, fa izay ahazoan’ny mpianatra azy no tanjona.
Tsy vitsy isika no mahalala fa any ambanivohitra ny ankamaroan’ny Malagasy no mipetraka. Ny olana dia na ny mpampianatra aza betsaka no tsy mahay miteny frantsay any ambanivohitra any, noho ny tsy fisian’ny televiziona. Izay no mitarika ny tsy fahazoan’ny ankizy tambanivohitra ny fampianarana satria lasa ilay teny fampianarana no olana, dia ny kajy sy ny fizika sy ny taranja rehetra no lasa tsy hay. Raha azon’ny ankizy tsara anefa ireny taranja ireny, dia azo antoka fa tsy hanahirana azy ireo velively ny hamaha ny olana.
Raha ny famerenana lakilasy indray dia tsotra. Ny 90%-n’ny ankizy mamerina lakilasy any ambanivohitra any dia miala an-daharana avokoa. Ka inona moa izany no mety amin’ny firenena ? Ankizy miala an-daharana sa ankizy mijanona ao an-dakilasy na tsy maharaka aza ? Fandroahana an-kolaka mantsy ny famerenan-taona ho an’ny ray aman-dreny.
Raha fehezina dia tsy tokony hafangaro ny fampianarana teny vahiny sy ny fampianarana taranja hafa. Izany fomba fampianarana izany dia efa ampiharina eran’izao tontolo izao, fa tsy hoe isika Malagasy irery no hanova azy. Ahoana tokoa moa ny haminavinana na iray segaondra ary hoe any Frantsa dia teny anglisy no enti-mampianatra ?
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.