6 taona sy tapany aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 dia mbola anaty fahasahiranana tanteraka i Madagasikara
. Tsy iadian-kevitra intsony fa tena mahazo rariny ireo nilaza fa tsy nilaina iny fandrombaham-pahefana tamin-kery iny fa fifampidinihana na fifampiresahana no tokony ho nirosoana. Na inona na inona ady atao mantsy dia tsy maintsy hiafara amin’ny resaka ambony latabatra ihany izany ka inona moa no tena nahamaika ny nandrodanana ny fitondrana Ravalomanana ? Toa niha lafo daholo ny vidin’entana eny an-tsena, nitombo ny isan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, niroborobo ny trafika sy fandripahana ny harem-pirenena, manjaka amin’ny famaritana tany ny vahiny ary voailikilika ny Malagasy. Nambara tamin’ny 2009 fa mivarotra tanindrazana ny mpitondra, mamadika tanindrazana, efa naloan’ny vahoaka ka tsy tiany intsony ka noho izany tsy mahazo miverina eto fa tsara aminy ny mijanona any Afrika. Io mitety an’i Madagasikara io izao i Marc Ravalomanana. Moa ve nisy Malagasy na dia iray aza naneho fahasosorana sy fahatezerana taminy ? Ny mifanohitra amin’izany aza no mitranga satria miantso vonjy amin’i Dada ny olona hoe : avoty ity firenentsika ity fa tena sahirana ! Efa mibaribary izao fa tsy nahavita azy ary vao mainka aza nanapotika ny firenena ireo ekipa naka an-keriny ny fitondrana tamin’ny 2009 ary mbola misy amin’izy ireo no mitantana ny firenena amin’izao fotoana. Kabary izany natao teto izany, tsy vitan’ny resaka anefa ny fitiavan-tanindrazana fa mila asa mivaingana azo tsapain-tanana. Hitan’ny vahoaka ary fantatry ny mpiara-miasa rehetra ihany koa. Hatreto aloha dia i Marc Ravalomanana no efa nampiseho ary mbola mampiseho fa sahy izy ary mahavita azy. «Tsy mbola manana ianao raha toa ka mbola voaisanao ny volanao… tsaratsara aminareo vahiny tsy mahay miara-miaina sy tsy manaja ny Malagasy no miala eto», hoy izy nandritra ny fihaonamben’ny TIM teny amin’ny Carlton ka nanolorana an’i Lalao Ravalomanana ho kandida Ben’ny tanàna. Hafatra mazava ho an’ireo manararaotra sy manimbazimba ny Malagasy izany ary tena porofona fitiavan-tanindrazana lehibe. Samy liana amin’ny ho tohin’ny tantara ny rehetra koa dia ho hita eo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.