Actualités

Fitazonana ny filoha Ravalomanana Paikady politikan’ny vahiny mpanjanatany


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Iray volana mahery izay no nahatongavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc an-tanindrazana rehefa nialokaloka nandritra ny 5 taona mahery tatsy Afrika Atsimo ny tenany. Nokarohana avokoa ireo vahaolana rehetra hiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny valan’ny tany manaraka ny Lalŕmpanorenana.

Fifanarahana maro no nosoniavina sy neken’ireo ankolafy voalaza fa mahasolontena ny vahoaka Malagasy saingy nandamoka daholo izy ireo. Voaravon’ny tondrozotra mitovy lenta amin’ny Lalàna fototra kosa ny ampahany amin’ny krizy nanapotika ny fiarahamonina Malagasy nanomboka tamin’ny taona 2009. Tanteraka ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoakan’i Madagasikara. Miverina tsikelikely ny fiaraha-miasa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena saingy nanadino ny fampiharana manontolo ny tondrozotra ny mpitondra fanjakana tahaka ny famoahana ireo gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary ny fampodiana ny sesitany politika. Io fitavozavozan’ny fitondram-panjakana io no nanery ny filoha Ravalomanana hody an-tanindrazana mangingina noho ny fitiavany ny fireneny sy ny vahoaka ao aminy. Tsy levon’ny vavonin’ireo vahiny te hanjanaka amin’ny endrika vaovao ny Malagasy anefa izany. Mampiasa ireo paikady politika rehetra izy ireo hanakanana ny fampandrosoana maharitra tian’ny filoha teo aloha hapetraka. Fitaovana iray amin’izany io fitazoman’ny manam-pahefana tsy misy antony mazava azy any amin’ny toerana voatokana io, hoy ny mpanara-baovao Randrianomanamahaleo Narcisse

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

Hijery ny tohiny
FTT