Nankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny kaoperativa Kompima ao Moramanga ny sabotsy 28 martsa teo. Tao Beforona no niandohany ary 05 ireo fiara niasa tamin'izany.
Efa mahatratra 150 kosa izy ireo amin'izao fotoana ary 160 ireo mpikambana ao aminy. Ny volana mey 1995 kosa no nahazo ny fahazoan-dalana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina izay mbola miasa hatramin'izao. Telo mirahalahy no nifandimby teo amin'ny fitantanana an'ity kaoperativa ity. I Tantely Hasinaivo no filohany amin'izao fotoana izao. Ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa no tanjon'ny 25 taona manaraka ary ny fitohizan'ny firaisankinan'ny samy mpitatitra izay tohanan'ny minisitera mpiahy. Miteraka fampandrosoana any amin'ny faritra ny fisian'ny fitaterana izay hahafahan'ny vokatra maro samy hafa mivoaka sy miditra.
Cathy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.