Actualités

Fitaterana eto an-drenivohitra Napetrapetraky ny fanjakana ny UCTU


  • Zoma 06 Janoary 2017

Vaky barara ny filohan’ny vondron’ny mpitatitra eto an-drenivohitra Andriambinintsolomora Bernardin omaly fa napetrapetraky ny fitondram-panjakana izy ireo tamin’ilay fanampiana nampanantenaina azy mintentina 12 miliara ariary, antony tsy nampiakaran’izy ireo ny saran-dalàna ho 500 Ar nanomboka ny 04 Oktobra lasa teo.

Hatramin’ny omaly  Alakamisy nihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety mantsy dia mbola tsy tonga ihany io fanampiana io izay efa tokony nanomboka ny 01 Novambra taona 2016 ka hatramin’ny 31 aprily ho avy izao. Ankoatra izay hoy hatrany ity filohan’ny UCTU ity dia mbola misy olana ihany koa ilay fanampiana tokony nomena teo aloha. Ho an’ny taona 2015 mantsy dia mbola betsaka ireo mpitatitra eto an-drenivohitra no tsy nahazo izany, fanampiana izay tokony efa vita tamin’ny volana septambra sy oktobra taona 2016. Tsy mbola nampiakatra saran-dalana mihitsy anefa izahay hoy hatrany ity filohan’ny UCTU ity na dia teo aza izany rehetra izany ho fitsinjovana ny mpanjifa. Miantso ny mpitondra fanjakana izy ireo araka izany mba handoa maika ireo fanampiana roa samihafa ireo. Efa in’efatra niakatra mantsy izay ny vidin-tsolika teto amintsika. Tsiahivina moa fa nandefasan’ny fitondram-panjakana ireo karazana karatra hahafahana mandresy ny fanampiana omena azy ireo amin’ny alalan’ny gazoala lanin’ny fiara tsirairay avy ny UCTU dia nanambara ny filohany fa vao mainka hiteraka olana io satria ny fanampiana tamin’ny taona 2015 aza mbola tsy voaloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT