Actualités

Fitaterana eto an-drenivohitra Mampiakatra ny saran-dalana ny Taxibe …


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Misy amin’ireo taxibe no nampiakatra ho 400 ariary ny saran-dalana hatramin’ny alatsinainy lasa teo. Raha nanontaniana moa izy ireo dia nilaza fa noho ny fisian’ny fitohanana lavareny etsy sy eroa no mahatonga azy ireo tsy maintsy nampiakatra ny saran-dalana. Ireo Taxibe mandalo amin’ny faritra 67 Ha sy Andavamamba, Ampefiloha, Anosy ary Isotry moa no nahitana izany. Marihina fa tsy ireo mpitatitra rehetra no nanao izany fa ny ampahany ihany amin’ireo zotra sasantsasany. Araka ny hita dia amin’ny fotoana maha maro ny mpandeha no tena isian’ity fanondrotana saran-dalana ity. Mazava ho azy fa dia vao mainka nanampy ny fahasahiranan’ny olona izany amin’izao vanim-potoanan’ny fety ao anatin’ny krizy izao. Hoy indrindra ny mpandeha iray sendra anay : «efa maika moa ka dia tsy maintsy mandoa ilay 400 ariary takian-dry zalahy. Na izany aza anefa dia hitako fa tena tsy rariny ilay izy e ! Ny olona ve efa sahirana dia mbola ampiakarina ihany ny sarandalana. Ary ny tena mahasosotra anie dia matetika tsy tonga any amin’ny toerana tokony halehany akory ireo Taxibe fa miverina eny antenantenan-dalana eny e !». Noho izany tranga miendrika fanararaotana izany, dia maro amin’ireo mpanjifa sy mpitaingina ny Taxibe no miandry izay fepetra horaisin’ny manampahefana, fa tsy avela ho gaboraraka lava tahaka izao ity fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra ity. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT