Actualités

Fitaterana anabakabaka Hiala eto Madagasikara ny Corsair ?


  • Alatsinainy 07 Janoary 2013

Marisarisa ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara.

 Toarian’ny olana nianjady tamin’ny orinasam-panjakana Air Madagascar, ka tsy nahafahan’ireo boeing roa an’ity kaompania nasionaly ity hisidina ny lanitr’i Eoropa dia mandeha indray koa ny feo ankehitriny fa hiala/hoesorina eto Madagasikara ny kaompania Corsair. Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina azy ity, ary sarotra ny mahazo fanampim-baovao mikasika izany. Ny tsiliantsofina re dia ato anatin’ny enim-bolan’ny taona 2013 ity no (mety) hialan’ity kaompania vahiny ity.

Raha ny zava-misy eny Ivato anefa dia saika feno hatrany ity zotra ity, izay mampifandray amin’i La Réunion sy mankany Frantsa ihany koa. Marihina fa tsy maintsy mahazo alalana amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ireo fiaramanidina sy kaompania misidina ny lanitr’i Madagasikara. Na izany aza ireo mpahay momba ny fitaterana ana habakabaka dia milaza fa mety ho ao ambadik’izao ny kaompania Air France, izay maka toerana tsikelikely eto, ary mety hamafa tanteraka koa ny fisian’ny kaompania nasionaly Air Madagascar. Ity farany izay misedra olana ara-bola goavana. Fiaramanidina miisa telo izao no mihitsoka fa tsy misy motera, noho io olana ara-bola io. 

 
Nangonin’i Britto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT