Actualités

Fitaterana ana habakabaka Fanoitra ho an’ny fizahantany


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

« Fanatsarana ny fitaterana ana habakabaka mba ho fampiroboroboana ny toe-karena amin’ny alalan’ny fizahantany » no anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra ny fivorian’ny solontenan’ny firenena miisa 30 mpikambana ao amin’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny fandrindrana fifamoivoizana ana habakabaka .

 

 Maharitra telo andro io fivoriana io izay nanomboka omaly teny amin’ny hotely Carlton Anosy. Anisan’ny iompanan’ny dinika ihany koa ny mikasika ny fampiroboroboana ny fifamoivoizana ana habakabaka aty Afrika sy ny aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indiana izay mahakasika an’i Madagasikara. Nasiana dinika ihany koa  eo amin’ny lafiny fanatsarana ny ara-teknika. Nandritra ny kabary fanokafana dia notsindrian’ny praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo izay mpanamory fiaramanidina rahateo fa fitaovana faran’izay mahomby tsy voafetran’ny elanelana ny fitaterana ana habakabaka. Mahatratra 191 ny isan’ny firenena mikambana ao amin’ity vondrona iraisam-pirenena eran-tany ity fa ho an’i Madagasikara dia ny fivoahana ao amin’ilay lisitra B izay karazana sazy apetaky ny Eoropeanina izay misakana ny fiaramanidintsika tsy hisidina  any Eoropa aloha izao no tena mbola olana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT