An-dalam-panavaozana ny bokin’andraikitra mifehy ny asan’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra amin’izao ny vondron’ny mpitatitra eto an-drenivohitra na ny UCTU tarihin’ny filohany
Andriantsolomora Bernardin miaraka amin’ny minisiteran’ny fitateram-bahoaka. Bokin’andraikitra faninefany io entina hanatsarana hatrany ny asan’izy ireo sady hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ihany koa. Anisan’ny tena hivoitra ao anatin’io fanavaozana io ny andraikitra sahanin’ireo tompona fiara, ny an’ny mpamily sy ny mpanampy azy raha misy fahadisoana hataon’izy ireo ankoatra ny andraikitry ny koperativa. Heverina fa hitondra voka-tsoa betsaka ho an’ny mpandeha sy mpampiasa fiara fitateram-bahoaka ny fisian’ity fanavaozana ny bokin’andraikitra ity. Anisan’ny tena andrasan’ny mpanjifa mafy ny tsy hisian’ny fijanonana maharitra amin’ny “arrêt” iray, ny tsy hisian’ny fihodinana an-dalana na ny fanariana mpandeha eny anelanelany intsony ankoatra ny fahatongavana hatrany amin’ny toby fiantsonana, indrindra rehefa hariva.Voafaritra mantsy fa tokony hiasa hatramin’ny 9 ora alina ny taksibe eto an-drenivohitra.Fantatra ihany koa araka ny fanadihadiana natao fa tsy mahafantatra akory ny votoatin’ny bokin’andraikitra ny 80% n’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.