Actualités

Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy Miampy 39 ny mpiasan’ny APMF


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Mpiasa birao sy solontenan’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale)

 

 miisa 39 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Sekolim-pirenena mpanofana mpisehatra an-dranomasina na ny ENEM (Ecole Nationale de l’Enseignement Maritime) ao Mahajanga.

Roa volana ny fiofanana narahin’izy 39 mianadahy ireo izay nifantoka tamin’ny fianarana ny raharaha ara-panjakana eny amin’ny seranana sy ny aro loza an-dranomasina tamin’ny ankapobeny. Hiparitaka any amin’ireo Seranana lehibe sy salantsalany miisa 17 misy ny APMF manerana ny Nosy izy ireo, ka ho tafakatra 200 ny isan’ny mpiasa manomboka izao, hoy ny Mpandrindra nasionalin’ny Antokondraharaha nandritra ny lanonana.

Tonga amin’ny fotoana ilana azy ireto mpiasa vaovao ireto, hoy ny Mpandrindra nasionalin’ny APMF satria betsaka ny asa miandry azy ireo. Notohizany fa maro no tokony hohatsaraina eo amin’ny fivezivezena an-dranomasina sy an-dranomamy eto amintsika, mba tsy hiverina intsony ireny loza nahafatesana olona mahatratra 90 tamin’ny taona 2010 sy ny tany Belo-Tsiribihina ireny.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT