Actualités

Fitaterana an-dalamby Miverina indray ny “Express Moramanga –Vohidiala”


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Omaly alarobia antoandro tamin’ny iray ora sy Fahefany no niainga tao Moramanga ny zotran-dalamby fanokafana indray ny fitateran’olona Moramanga mankao Vohidiala Ambatondrazaka.

Ny Laokomotiva B.B 1206 no nitarika ireo wagon miisa enina ka ny telo dia fitondrana entana ary ny telo kosa dia natokana ho an’ny mpandeha.

Nanambara ny Talen’ny varotra eo anivon’ny Madarail, Lalaina Rakotondramanana, fa efa iray volana teo no nanomanana izao. Nefa tsikaritra fa toa tampoka ihany ho an’ny vahoaka ao Moramanga, ka tsy nahagaga raha zara fa nisy mpandeha ilay andrana natao.
Ireo manampahefana anivon’ny Faritra, notarihin’i Miandravola Ratovo, Lehiben’ny DREN Alaotra Mangoro, izay vao avy namarana ny Lalao an-tsekoly andiany faha-6 tao Andasibe no nitarika ireo delegasiona nisantatra izany zotra andrana izany ary ny Lehiben’ny Faritra. Ramandehamanana Richerd, kosa no nitarika ny fitsenana tany Vohidiala. Maharitra eo amin’ny adiny efatra sy fahefany eo ny dia amin’ny ankapobeny.
In-droa isan-kerinandro no hisy ity Zotra Express ity, ka hiala ao Moramanga ny alarobia sy zoma amin’ny 12 ora sy sasany ary miainga any Vohidiala indray ny alakamisy sy sabotsy amin’ny 7 ora maraina. Efa nisy ihany ny Zotra Soc – Soc natao dia rendrika ary dia izao novelomina amin’ny Express izao indray. Miaka-bokatra rahateo ny any Alaotra, maha be ny mpandeha amin’iny Faritra iny.
 
Mbola ny Tale ara-barotry ny Madarail ihany no nanamarika fa tsy natao hitondra entana be loatra ity Zotra Express ity, ary ireo mpandeha dia manana zo hitondra entana 50kg, raha mihoatra io dia handoa 4.000 Ar isaka ny 50 kg ireo mpandeha. 7.000 Ar moa no saran-dalana ho an’ny fiaran-dalamby raha mihodidina ny 10.000 Ar ka hatramin’ny 12.000 Ar izany ho an’ny fiarakodia miala ao Moramanga.
Nangataka moa ireo mpitondra ao Moramanga ny mba handraisana mpandeha ao Amboasary sy Andaingo, ary dia nilaza ny Madarail fa handinika izany.
 
Onni Razatovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT