Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ( ATT) ny kolonely Rakotondrazaka Andry manoloana ilay fanampiana omen’ny fitondram-panjakana ny mpitatitra mba hanamaivanana ny fahasahiranan’izy ireo.
Nambarany fa efa voaloa tanteraka ny fanampiana tamin’ny taona 2015, ary ny volana novambra sy desambra sisa no tsy voaloa ny taona 2016. Ho an’ny taona 2017 kosa dia nambarany fa efa misy ilay tetikasa hamatsiana fiara miisa 6.000 hatramin’ny volana aprily taona 2017 mba ho fanampiana azy ireo. Midika izany fa mandeha ny fanampiana ary inian’ireo mpamily sy ny mpanampy azy izay mety tsy ho fantatry ny tompony sy ny koperativa akory ny fampiakarana ilay saran-dalana ho 500 Ar. Ankoatra izay dia mbola betsaka ihany koa no tsy ara-dalàna ny antontan-taratasiny sy ny asa hatolony ny mpanjifa. Antontan-taratasina fiara miisa 127 mantsy no fantatra fa nosintonin’izy ireo nandritra ny herinandro mahery nanaovany ny hetsika izay mbola hitohy. Nampahatsiahy ny aro lozan’ny fifamoivoizana tokony ho fantatry ny rehetra ny minisiteran’ny fitateram-bahoaka omaly. Tamin’ny alalan’ny tale teknika momba ny lalana Rakotozafy Gilbert no nanambarany izany ka anisan’ny lohalaharana ny tsy fahafahan’ny ankizy latsaky ny dimy taona mipetraka eo akaikin’ny mpamily. Tsy maintsy manao aroloha ihany koa mpitaingina môtô sy ny mpandeha amin’ny môtôbisikileta, tsy mahazo mampiasa finday ireo mpamily rehetra mitondra fiara, tsy azo atao ny mampiasa fitaratra matroka ho an’ny fiarakodia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.