Milaza ny hampanao fanadihadiana lalina na “Audit interne” mba itsirihana ny mety ho tsy fisian’ny mangarahara na koa ny gaboraraka eo amin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama ny fanjakana foibe.
Milaza ny hampanao fanadihadiana lalina na “Audit interne” mba itsirihana ny mety ho tsy fisian’ny mangarahara na koa ny gaboraraka eo amin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama ny fanjakana foibe. Ahiana ny fisian’ny kolikoly na fanodinkodinam-bola eo anivon’ity orinasa ity. Ankehitriny, ny 60% amin’ny saran’ny herinaratra lany ihany no tafaverina ao anatin’ny kitapom-bolan’ny orinasa ary baraingo hoe mankaiza ny 40% ? Tsikaritra ho mifanilika hatrany ny fanjakana sy ny Orinasa. Ny eo anivon’ny Jirama dia milaza fa ny fanjakana no tsy mandoa saran’ny herinaratra, ka mahatonga ny fahabangana. Raha tsiahivina dia ny tapaky ny volana novambra 2016 no nanao fanambarana ny teo anivon’ny jirama fa tokony handoa vola hatrany amin'ny 527 miliara ariary amin'ity orinasa ity ny fanjakana noho ireo trosa nivangongo an-taonany maro. Ny fanjakana kosa anefa milaza fa tamin’ny taona 2016 dia 290 miliara ariary ny vola fanampiana narotsany tao amin’ny kitapom-bolan’ny Jirama, ary milaza ny hampihena azy io 250 miliara ariary ny fanjakana foibe amin’ity taona ity. Mahatratra 750 miliara ariary ny vola voalaza fa ilaina amin’ny fanarenana ny Jirama. Toa lany andro mifampiapanga sy miala bala lava ny mpitantana eto amintsika. Ny mpanjifa etsy an-kilany mijaly ary tsy afa-manoatra amin’ny fandoavana tsy tapaka ny saran’ny herinaratra kanefa tapaka lava tsy hahafaha-mamokatra. Ny tena loza dia tsikaritra ho tsy misy fiantraikany any amin’ny faktiora ny fahatapahana lava, ka maro ny miahiahy fa ny vahoaka no volosana hameno ny banga.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.