Saro-pady ny asa eny anivon’ny kaominina, indrindra fa ny fitantanan-draharaha.
Tsy mbola misy sekoly manofana tompon’andraikitra ho amin’izany anefa eto amintsika, hany ka efa am-perinasa avokoa ireo tompon’andraikitra vao mianatra. Amin’ny ankapobeny dia adidin’ny fanjakana ny manokatra sekoly hanofanana ireny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ireny na misy mihitsy ny fotoana hatokana mba hanofanana azy ireny hisorohana ny olana mety hitranga. Anisany ny fanaovana kolikoly. Mba hahafahana manampy ireo mpiasa eny anivon’ny kaominina ary dia nisy omaly ny atrikasa notanterahina tetsy amin’ny tranoben’ny varotra Antaninarenina niarahana tamin’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly sy ny tetikasa PRODECIDE. Nambaran-dRakotonirina Gervais, tale jeneralin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa mety hampiditra am-ponja ny fitantanan-draharaha eny anivon’ny kaominina ka mila miofana ireo tompon’andraikitra voakasika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.