Actualités

Fitantanam-bolan’ny kaominina Nahazo fiofanana ireo ben’ny tanàna


  • Talata 17 Aprily 2018

Misy ny fiofanana maharitra 5 andro omena ireo ben’ny tanàna tetsy amin’ny hotely Le Pavé Antaninarenina. Nanomboka omaly izany ary ireo manampahaizana manokana momban’ny fitantanana ara-bola eto Madagasikara sy any ivelany no mitondra ny traikefany.

 
Tanjona ny ahafahana mametraka sy mamehy ny paikady rehetra amin’ny resaka fitantanam-bola eny anivon’ny kaominina. Ben’ny tanàna na solontenan’ny ben’ny tanàna na tompon’andraikitra ara-bolan’ny kaominina no ofanina. Manampy amin’ny fananganana tetikasa sy fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka fa indrindra ny mpamatsy vola ity fampiofanana ity. Sakana ho an’ny kaominina mantsy ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fahaiza mitantana tetikasa rehefa tojo famatsiam-bola ary indrindra tsy mahavita tena ihany koa ny kaominina ka tokony hitady fidiram-bola hatrany. Nentanina araka izany ireo kaominina mbola misalasala sy tsy rototra ka tsy nanao fangatahana ho amin’ity fiofanana ity. Tsy maintsy napetraka 2 na 3 volana mialoha mantsy ny fangatahana izay vao afaka misitraka izany. Vitsivitsy araka izany ireo kaominina tonga niofana kanefa betsaka ny tombony azo amin’ity fiofanana amin’ny fitantanam-bola ity.


Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT