Actualités

Fitantanam-bolam-panjakana Iharan’ny teritery ireo “Administrateurs adjoints”


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Teknisiana miandraikitra ny fanatanterahana ny fampiharana ny fitantanam-bolam-panjakana ny “Administrateurs adjoints des services financiers” izay miasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny tetibola.

Miara-miasa amin’ny «Administrateurs des services financiers» izy ireo amin’izany. Ny taona 2004 no niorenan’ity sokajin’asa ity raha 58 kosa ny isan’izy ireo ankehitriny. Efa manana ny sendikany izy ireo izay manatanteraka fivoriambe indray mandeha isan-taona. Ho an’ity taona ity dia ny zoma lasa teo no nanatanterahana izay fihaonana izay teto an-drenivohitra. Fandinihana ny olana amin’ny fanatanterahana ny asa no lahadinika amin’izany. Olana mateti-pitranga ny tsy fifehezana na koa teritery ataon’ireo olom-boafidy sasantsasany izay tsy mahafantatra akory ny fitsipika arahana momba ny fandaniana na fampidiram-bolam-panjakana araka ny fanazavan’ny mpizaika. Eo anatrehan’izany dia ny fametrahana fitantanana mazava ny momba fampiasam-bolam-panjakana no tanjon’ny sendika araka ny fanazavan’ny filohany, Rtoa Razanadray Bodo. Izay manana diplaoma lisansa no afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana hiditra ho “Administrateurs adjoints des services financiers”. Miofana mandritra ny iray taona eny amin’ny IMATEP Androhibe kosa ireo voaray amin’izany vao mandray asa eny anivon’ny ministeran’ny vola. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT