Actualités

Fitantanam-bola eto Madagasikara Fanina tanteraka ny vahoaka


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Tsy mangarahara mihitsy ny tetibola sy ny fitantanana izany eto Madagasikara. Any amin’ny famolavolana ny tetibola amin’ny antsipiriany mihitsy dia efa lesoka ny fijerena ny laharam-pahamehana mainka moa ny fanatanterahana.

Ankoatr’izay tsy afaka mba mitsirika mijery izany moa ny Malagasy hany ka manao ny ataony ny fitondrana. Amin’izao propagandy mialohan’ny fotoana izao moa dia valalanina ny vahoaka amin’ny fahatsaram-panahy tampoka misy ataon’ny mpitondra. Miainga amin’ny any ambanivohitra ny fanasana atidoha ka manolonolotra sy mizarazara vola sy fitaovana any ry zareo. Jereny ny zavatra miasa sy ilaina any tahaka ny hoe angady dia atolony ny tambanivohitra izany.  Mahagaga sy mampametram-panontaniana hatrany hoe avy aiza ny loharanon’ireny vola sy zavatra zarazaraina hanaovana propagandy sahady ireny? Sao lahy dia ny volam-panjakana ao ihany no ampiasaina sy isehosehoana lava tahaka ny misy amin’izao? Sa ilay 8% tokony hiampy amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana no lalaovina sy seraina enti-mandresy lahatra ny maro amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Iaraha-mahalala koa moa fa tsy misy ny tatitra mazava amin’ny filan-kevitry minisitra ny amin’ireny fanomezana maimaimpoana atao ireny. Gaboraraka hatrany no misy eto ary manao izay daniny kibony ny fitondrana. Ny vahoaka koa moa mangina ohatran’ny hoe tratran’ny fandrekirekena ka manao izay tiana mihitsy ny ao ambony ao.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT