Actualités

Fitambaran’ny zanak’Antemoro Mitaky ny hanokafana ny seranan-tsambon’i Manakara


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Notsofin-drano ny faran’ny herinandro teo ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny biraon’ny fitambaran’ny zanak’Antemoro na ny FIANTA, hiasa mandritra ny efa-taona.

 

Tsy ho toy ny mahazatra intsony ny fomba fiasan’ity birao vaovao ity manomboka izao. Raha variana tamin’ny fanatsarana ny lafiny ara-tsosialy hatrany mantsy ireo mpikambana teo anivon’ny biraon’ny FIANTA teo aloha, dia hatsangana eo anivon’ny birao vaovao  mihitsy manomboka izao ny fampandrosoana ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Anisan’ny hotakian’ireo birao amin’ny fanjakana amin’izany ny hanokafana indray ny seranan-tsambon’i Manakara raha eo ihany koa ny fanamboarana ny lalamby hahafahan’ny olona sy ny vokatra mifamezivezy. Hitondra ainga vao ho an’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny fahavitan’ireo asa goavana ireo, hoy hatrany Randrianasoavina Christian, satria dia hahafahana mampiroborobo ny toekarena any an-toerana sady hanomezan-tanana ireo mpiray tanindrazana tsy an’asa ihany koa.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT