Actualités

Fitakian’ireo dokeran-tsambo Mety hiafara amin’ny fikatonan’ny seranan-tsambo


  • Talata 13 Jona 2017

Rehefa tsy afaka nandray ny sekretera jeneralin’ny sendikan’ireo mpiasa an-tsambo (SYGMMA) sy ireo dokera miasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary ny avy eo anivon’ny

federasionina iraisam-pirenena momba ny fitaterana an-dranomasina teny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly ny filohan’ny antenimieram-pirenena dia teny amin’ny minisiteran’ny fitaterana tetsy Anosy indray ireto fivondronambe ireto no nanao ny fitakiany mikasika ny zo izay tsy azon’ireto dokera ireto nandritry ny 20 taona mahery. Araka ny fanazavana dia noroahana satria niditra mpikambana tao anatin’ny Sygmma ireto dokera miisa 43 nanao fitakiana nanoloana ny minisiteran’ny fitaterana ireto ny taona 2012. Tsy ara-drariny anefa izany, hoy ny fanazavana, ka dia takiana ny famerenana azy ireo amin’ny asany. Tsy mbola nisy tompon’andraikitra afaka nandray ihany koa moa ireto fivondronambe ireto rehefa teny amin’ny minisiteran’ny fitaterana ary manao antso avo amin’ny filohan’ny repoblika mba hamaha ny olana satria dia efa ny federasionina iraisam-pirenena no manery ka sao hisy fiantraikany amin’ny fandraharahana eny amin’ny seranan-tsambo, hoy hatrany ny fanazavana.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT