Raikitra koa ny fitokonan’ireo mpianatry ny oniversiten’Ankatso, taorian’ny fitokonana nataon’ireo mpianatry ny oniversiten’Antsiranana. Nifamory teny amin’ny faritry ny Esplanade nametraka barazy tsy nahafahana nidirana teny Ankatso ny mpianatra. Nafampana teny an-toerana ny tapak’andro maraina. Mpianatra miisa 200 avy ao amin’ny lalam-piofanana Siansa no nitarika ny fitokonana ary nitety sampam-pianarana maro nandrava ny fampianarana. Nahatsiaro voatohintohina tamin’izany ireo mpianatra marobe nandray anjara tamin’ny fanomezan-dra, nokarakarain’ny taona fahatelo. Toraka izany koa ireo mpianatra nanohy ny fampianarana ara-dalàna. Anton’ny fitokanana dia ny fitakiana vatsim-pianarany nanomboka tamin’ny volana Febroary nanombohan’ny taom-pianarana, miaraka amin’ny fampitaovana. Na izany aza tsy naharitra ela ny hetsika fa rehefa nigadona ny mitatao vovonana dia nirava. Na izany aza hitohy anio zoma faran’ny volana ny hetsika ka ho mafimafy ny fitakin’izy ireo. Roso tamin’ny fanidiana ny vavahady fidirana izy ireo omaly raha mbola baraingo kosa ny zavatra hiseho anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.