Actualités

Fitakiana sendikaly Lasa tolona tandrametaka


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Maivana sy tsy maharesy lahatra intsony ny resaka tolona sendikaly eto amintsika amin’izao fotoana izao.

 

 Tafiditry ny resaka politika, ka takona tanteraka ilay tolona madio hitakiana ny tombontsoan’ny besinimaro. Zary lasa fitadiavana seza politika ho an’ny mpitarika mihitsy aza. Maro ireo nafana fo amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny rehetra amin’ireny hetsika sendikaly ireny saingy nangina tanteraka rehefa nahazo seza sy vola aman-karena na dia tsy tonga amin’ny tanjona notratrarina aza ny tolona. Anisany ny fampianarana ambony, ny asa fanaovan-gazety… Antony iray hafa ny fisamatsamahan-kevitra sy ny tahotra fa tsy misy ny tena famondronana ny hery, ka zary mahazo aina ny mpitondra raha manozongozona fanjakana mihitsy ny fitakiana sendikaly na hetsika sosialy any ivelany any. Nafana, ohatra, ny hetsika sendikaly nataon’ny mpiasan’ny Kaompania Air Madagascar mba hiarovana ity orinasam-panjakana ity, saingy vao noroahina tamin’ny asany ny mpitarika, dia tampina ny daomy. Ny didim-pitsarana mamerina an-dry Rado Rabarinala amin’ny asany aza tsy noraharahian’ny fanjakana satria fantany fa na mbola ampian’ireo sendika hafa aza tsy misy vokany. Mandroso mihemotra toy ny lelon-jaza ny fitakiana fa tsy mba misy ny tena fahasahiana hampikatso tanteraka ny asa aman-draharaha hisian’ny tena tsindry manery ny fanjakana handray andraikitra na ny hisian’ny revolisionina mihitsy fa rehefa misy ny vahaolana tandrametaka dia mionona. Ny tany Brezila, ohatra, dia niafara tamin’ny fionganan’ny filoha teo aloha Dilma Roussef mihitsy ny hetsi-bahoaka noho ny resaka kolikoly, ary efa manomboka mihozongozona ihany koa ny toeran’i Michel Temer. Any Venezuela dia efa mananika ny 50 no maty noho ny fitakiana saingy tsy manaiky lembenana ny olona. Eto amintsika kosa dia vitan’ny fanambarana sy fanaovana valandresaka madinidinika fitokonana 2 sy 3 andro dia samy vita.

 


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT