Arakaraka ny firoboroboan’ny toekarena sy ny fahampian’ny vola no hahafahana mandinika sy manatanteraka ireo fitakiana sendikaly isan-karazany.
Izay no tenin’ny ministry ny vola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina taorian’ny nandanian’ny Kongresin’ny tetezamita ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Raha adika faran’izay tsotra io dia milaza mazava fa tsy afaka ny hanatanteraka ny fitakian’ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ny mpampianatra mikaroka, ny mpiasam-panjakana, ary ireo rehetra izay mbola mieritreritra ny hitaky fisondrotan-karama sy fampiakarana ny mari-karama ary ny fanomezana tambin-karama ny fitondrana tetezamita. Ary manaporofo izany ny voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2011 izay tsy ahitana mihitsy soratra milaza fa nekena ny fitakiana.
Efa nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana araka ny nambaran’ny ministry ny tetibola, ary efa nahazo tombony tamin’izany ny mpitsabo sy ny mampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, dia izay ihany aloha no azon’ny fanjakana tanterahana amin’izao fotoana fa hodinihana amin’ny manaraka arakaraka ny fivoaran’ny toekarena ny sisa ambiny. Ny ministry ny fahasalamana moa dia efa namoaka naoty milaza fa hiharan’ny sazy avy hatrany ireo dokotera mitokona sy tsy mety mitsabo ny marary, satria efa nanaiky ny hifampiresaka ny ministera ary nisy tamin’ireo fitakiana no nekena, ka tsy mety intsony raha hiziriziry amin’ny heviny fa tsy mba hanaiky ny marimaritra iraisana mihitsy ireo mpisabo. Tsy fantatra kosa izay ho fanapahan-kevitry ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony raha toa ka tsy mety mampianatra mihitsy ny eny amin’ny oniversite. Fehiny dia hodinihana amin’ny manaraka ny ankabeazan’ireo fitakiana, fa ny sombitsombiny ihany no nekena ka asa hoe hanao ahoana ny fihetsik’ireo sendika, hanaiky hilefitra ka hiverina hiasa ara-dalàna ve sa hanenjan-droa ny tady dia hanohy ny grevy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.