Actualités

Fitakiana ny îles éparses « Mila mampiseho hery isika », hoy Raharimanana Patrick


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Manoloana ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa efa miroso ny dinika momba ny fitantanana ireo nosy îles éparses dia nisy fanambarana an-gazety ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika fa tsy mbola misy izany dingan’ny fifampiresahana izany.

 

 Nofitahin’ny filoham-pirenena ve izany ny vahoaka ?

Ho an’atoa Raharimanana Patrick, injeniera nilatsaka  hofidiana ho filoham-pirenena farany teo dia  manana hevitra ihany  koa  izy  momba ity  îles éparses ity. Efa  nipetraka ela tany  Frantsa ihany  koa ny tenany. “Raha tamin’ny 1960 isika no nomena fahaleovantena dia midika izany fa ireo nanjanaka sy nanandevo antsika dia mbola velona ny maro, dia hihevitra ve isika fa niova fo izy ireo, ka dia omeny antsika mora ny nosy izay nogiaziny tamin'izany ? “, hoy ny  fanontaniana  napetrany. Nambarany fa  raha tsy manana tafika henjana ary tsy miankina aminy isika vao mety azo heverina ny famerenana ireo nosy ireo. Fehezo ny fananana efa eo an-tanana dia andao hividy fitaovam-piadiana mifandraika amin'ny azy vao omeny io,. Ny ambiny nofy ririnina », hoy izy. Araka ny fanazavany dia 200 tapitrisa  dolara amerikanina ny iray amin'ireny fiaramanidina mpiady ireny, andramena 20 kaontenera eo ho  eo  izany. Isika anefa efa namoaka 2 000 kaontenera 
 Mividy enina isika, sady voaaro ny sisintany, ny harenantsika sy ny ranomasina, ary manomboka manan-danja isika eto amin'ny ranomasimbe indianina, ka afaka miresaka iles éparses haverina amintsika.

Mila safidy diplaomatika koa anefa ny resaka fitaovam-piadiana satria io tsy toy ny andeha hividy mofogasy. Miaiky Raharimanana Patrick fa tokony hiverina amintsika  ny nosintsika saingy tsy ampy ny hilahatra ery Ambatomena. Olona mangalatra ny taninao ve no andeha hanatonanao hangatahina sy hitondrana sora-baventy ? Fanehoana hery  ihany no fomba  ahazoana  mandresy  lahatra ny frantsay  hamerina  amintsika  ny nosintsika toy ny nataon’ny  MDRM tsy nilanja sorabaventy fa naka pilotra sy lefona na dia fantany aza fa mety tsy  hitovy ny hery. Raha araka ny  hevitr’ity  kandidan’ny antoko Vitatsika  io ity dia tsy voatery hiady fa tsy maintsy manana fitaovam-piadiana arangaranga. Misy ny vahaolana fa isika no tsy vonona sy tsy sahy hiady amin'ny tsindry aloky ny mpanjanaka ka io mangataka lava aminy io », hoy izy  namarana  ny teniny.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT