Mananika ny 850 ny fitarainana mikasika ny fifidianana kaominaly voarain’ireo Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana isaky ny renivohi-paritany. Tamin’ny enina ora maraina teo no nikatona ny fara-fandraisana fitarainana ka mety mbola hitombo io tarehimarika io.
Rovan’i Manjakamadiana
Nanolotra vola tsy averina mitentina 8 miliara Ariary ry zareo Japoney hikojana ireo vakoka 1500 isa, sisa tavela tao Anatirova ka mitoby ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra.
Domaine Anosy
Manomboka miverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny asa aman-draharaha ao amin’ny biraon’ny fananantany Anosy.
Fianarantsoa
Mpitandro ny filaminana mirongo basy no nameno ny Kianjan’ny Demokrasia omaly. Nilamindamina ny tanàna, tsy nisy hetsika politika.
Tontolo iainana
Hametraka paikady hoentina iadiana amin’ny fanondranana vokatry ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harena voajanahary ny Faritra Boeny sy ny Bianco ary ny tantsoroky ny GIZ hisorohana ny fahasimban’ny tontolo iainana ao amin’io faritra io.
Barikadimy
Nilamindamina ny mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina omaly, na dia tapitra omaly aza ny 72 ora nomen’izy ireo ny fitondram-panjakana hamahana ny olan’ny SECES.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.