Na dia niakatra efa ho avo 2 heny aza ny vidim-bary eny an-tsena dia tsy manakana ny Malagasy hirevy izany amin’izao annkatoky ny fety izao.
Araka ny fanadihadiana izay natao tamina toeram-pisotroan-toaka vitsivitsy dia saika nahitana fisondrotana 25% teo ho eo avokoa ny zava-pisotro mahamamo nohafaran’izy ireo tato ho ato. Misy ireo karazana Vodka izay raha 2 kesika teo aloha no fanafatra dia lasa 3 izany amin’izao fotoana. Ny labiera kosa raha 20 na 30 kesika teo aloha dia efa mahatratra 40 kesika no lany ankehitriny. Na ireo toaka mahery aza dia nitombo avo roa heny mihitsy no lasa fanafatra satria raha 1 kesika dia lasa 2 kesika. Raha tombanana in-dray mijery anefa dia mahazaka 20 tavoahangy ny kesika iray. Mazava be ny resaka eto fa anisan’ny olombelona eto ambonin’ny tany tena misotro toaka sy labiera ny Malagasy, ary tafiditra any anaty fomba sy kolontsaina mihitsy izy io satria na ao anatina fahoriana na fifaliana dia eo foana ny zava-pisotro mahery. Manahirana ihany anefa ny mijery fa miteraka fifandirana sy ady any anaty fiarahamonina ny fibobohana toaka. Azo ambara fa sakana iray amin’ny asa fampandrosoana atao eto Madagasikara satria maro ny olona misotro kanefa tsy mahazaka rehefa avy eo ka manaotao foana sy tsy mahavita miasa araka ny tokony ho izy intsony. Dia hitohy hatrany ve izany ilay kolontsaina hoe anio mifety na mirevy fa ny ampitso mandry fotsy ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.